ORA MAMIKO - jyno
Azo vakiana?
Ny ora mamiko indrindra dia izay nipetrahako teo anilanao.
ka nanononanao ny anarako sy nanoloranao tsiky ary ny sanginao mahery
Varakitra ho tsiahy tsy mety hadinoina ireny hatramin'izao
Fa ora mamy ho ahy, fotoana tiako indrindra ka tsy avelako ho very.
Ny ora mamiko indrindra dia ireo ora maromaro niarahana nilofo;
nisian'ny olanolana tsy maintsy novahaina tseny an'tsefantsefany eny.
Fotoana mamy izany ka toy ny sary hoso-doko tsara voatra ato am-poko
Voarakitra ao avokoa mbamin'ny singa kely indrindra fa mamy manko ireny.
jyno
Antsakoamaro
28 Mai 2012
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jynoDaty : 11/01/2016
Mpamangy : 1045
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSIKYEFA FANTATRAO
AMPIO FA TSY SAHY
HAVANA
IZY IREO
MADE
MANDEHANA RY FANAHIKO
MBOLA HO TAFARAY
ANATRA
VAVAKY NY OSA