IZY IREO (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any no mihatra ny didy aman-dalana
Any hono no motontona ireo titi-pampivoarana
Any no itakiana ny an-tapitrisa mety ilaina
Any koa no fototry ny tohatra fiakarana.

Izy ireo no traboina raha misy rivo-doza
Izy ireo no kere raha misy hain-tany
Izy ireo no malaza ho mpangalatra, mpandroba
Izy ireny no mpanendaka any alan-trano any

Izy ireo no sorona raha misy fitolomana
Izy ireo no porofo angataham-panampiana
Izy ilay mitsimpona ny latsaka hivelomana
Izy no mpandray izay tsy ilaina efa nariana.

Izy ireo no mpanota tsy mba mpiditra am-piangonana
Izy ireo no mpamosavy mpilalao ody ratsy
Izy ireo no voasokajy ho fototry ny olana
fa bado ts'isy saina, tsy nandia lakilasy.

Efa anjara ho azy ireny ny mizaka izany jaly
Na tsy rariny aza mihatra; mangina izy tsy miteny!
Fa moa ny fahantrany fidiny azy Zanahary?
Aleo ingahy Mpanapitrisa no hamaly an'ireny.

Ny lokon'izy ireny: mavomavo raha jerena
Ny ao an-kohonan'izy ireny: ts'isy Dada, ts'isy Neny!
Fa moa mba fidiny azy?! Manontany ho'aho ny tena.
Aleo ingahy Mpanapitrisa no hamaly an'ireny.

jyno
Antsahalemaka, 04 Mars 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
851 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 11/01/2016 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155