ANATRA (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka tsy ho eo imasonao ny fitiavan-drendrarendra
Aoka halavirinao ny fitia andrakandrana
Aoka ianao ho sahy hihamotra raha sendra
tsy maneva anao ny joloky ny randrana

Aoka tsy ho eo imolotrao ny ompa sy ny teny ratsy
Aoka tsy ny tananao no ho tia vola tafahoatra
Aoka tsy ny fonao no hikasa valifaty
fa aoka ianao ho mora tony raha sendra misendaotra

Aoka ny vatanao ho toy ny raki-tsarobidy
Aoka ny sainao hitomoetra ho madio
Aoka ny fiainanao ho tsiambaratelo mihidy
ho lavitry ny sotasotam-piainana tadio

Aoka izay naterakao no hasoavinao indrindra
Aoka ny tianao mba ho tokana, ho iray.
Ny fiarahamoninao kezaho mafy mba hirindra.
Alao tahaka raha mety ilay Nazareta fahizay.

Aoka handosiranao 'reo naman-dratsy, tery saina
Fa aoka ianao hanatona 'reo voky taonam-pahendrena.
raha sendra mba anarina, aza sendaotra sombin'aina
fa ilay ho avinao rahampitso mamiratra jerena.

Ny Tompo ilay Tsitoha no hany tokana ivavaho
Amin'ireny mahantra ireny, aoka ianao ho mora fo.
Ampio ny namanao raha sendra olana mitraho.
Raha manan-ko zaraina: manomeza an-tanan-droa

JyNo, 05 Aogositra 2013
Antsampanana/Ambondromamy
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1369 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 31/01/2015 14:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143