MBOLA HO TAFARAY - jyno
Azo vakiana?
Aleveno ao an-drefan-tanana leiretsy
ity foko tia ity azafady indrindra.
Ataovy eo amboniny iretsy vato iretsy
Dia asio soratra "tsy azo afindra".
Dia aza asiana tanam-bokovoko
fa sary fo no ataovy eo ho solony.
Lokoy mena dorehitra raha toa ka handoko
Dia soraty eo ny day nafaran'ny tolony.
Asio fefy mihintsy raha toa ka mety
ho lavitr'ireo izay tia setrasetra.
Iangaviako mafy aleo mba hifanety
mba tsy hidiran'ny biby voretra.
Asio jiro mena eo an-daniny roa
mba ho fanilony mandrakizay.
Dia ilay tarigetra soraty eo aloha:
"Ny fo samy tia mbola ho tafaray".
Dia hafatrafaro ireo mandalo eo
Tsy famoizam-po hono izao fa safidy.
Dia ento izy avy eo ka ampijereo
'lay fo vonto-mamy tsy nahita mangidy.
JyNo
19/02/2013
Mombamomba
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jynoDaty : 31/01/2015
Mpamangy : 1039
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSIKYEFA FANTATRAO
ORA MAMIKO
AMPIO FA TSY SAHY
HAVANA
IZY IREO
MADE
MANDEHANA RY FANAHIKO
ANATRA
VAVAKY NY OSA