You are here: home > Vetso

VAVAKY NY OSA - jyno

Azo vakiana?

Zanahary o herezo
ity sandriko efa osa!
Vontosy hery, hatanjaho
ity sandriko efa godraka
hoentiko mandresy
ny fahavaloko mahavosa
ary koa hanoseko
ireo asany mitobaka.

Ray o; omeo ahy!
ny saina tsy mba kivy!
Dia raha mety ampio kely
fanahy mahay mandalina
satria ny fahavaloko
ka fetsy izay tsy izy
mahay mandrokiroky
sy manafina ny marina

Tompo o, omeo ahy
mpitari-tafika mahay!
dia raha mety ampindramo
izay fiadiana tsara indrindra
satria ataoko fantantrao
fa raha izay traik'efanay
dia ho mora resy foana
fa mpiady vao mamindra

Andriamanitra o omeo
ny fanefitrao mahery!
tsofy rano ihany koa
ny adinay mba ho tontosa
Omeo vatana tomady
vonona hiari-pery;
hijoro hatrany tsy hiala
hitomban-dahy, tsy ho kanosa!

jyno
13 déc 2010

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : jyno

Nampiditra : jyno
Daty : 20/01/2015
Mpamangy : 894
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TSIKY
EFA FANTATRAO
ORA MAMIKO
AMPIO FA TSY SAHY
HAVANA
IZY IREO
MADE
MANDEHANA RY FANAHIKO
MBOLA HO TAFARAY
ANATRA