MANDEHANA RY FANAHIKO (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandehana ry fanahiko, vangio izy izao.
Orohy izany molony dia izao no lazao:
"Arahaba hono hoe, hoy ilay tsy manadino;
raha sendra mahatsiaro, am-bavaka izy no vimbino!"

Dia atolory azy avy eo iny tara-bolana iny
ho mari-piarahabana sy ho tsiaron'ny fahiny.
tandrovy tsara tsy haloto ireo tarany madio.
Ataovy tsara fono fa andro fety manko anio.

Dia aza malaky mody fa otriny tsara izy.
Ampifalio sy ankaherezo, tohano mafy tsy ho kivy.
Omeo azy an-tanan-droa 'lay vonin-draozy manitra.
Avy eo izy ampijereo ny vahana eny an-danitra.

Omeko azy manko ireny raha izay no mba tiany.
Ampiako habakabaka aza raha toa mbola iriny.
Aoka izy ho safononoka fa andro fetiny androany.
Omeo azy mbamin'ny rano sy ny zava-tsoan'ny tany.

Dia ny rakitry ny foko no atolory azy farany.
Dia soraty tsara eo ivelany ny mariky ny anarany.
"Ilay akama hono hoe tsy hanadino anao mihintsy
ary iny volana iny no solon-tenany mitsiky."

Mandehana ry fanahiko lazao azy any izany.
Manina azy aho fa tsy afaka noho ny elanelan-tany.
Veloma hono hoe, masina, mandra-pihaona.
Antenain-kifankahita any volana any taona.

JyNo
Antsakoamaro/Ambondromamy
09 jona 2012
--------
Rohy:
1127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 01/02/2015 16:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014