MADE (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Made a!
Indry anie ho'aho tiako e!
Tiako tena tiako efa hatramin'ny ela be.
Marina e! Mba he!!!
Tsy hoe vao izao akory
fa efa tamin'izany,
efa tamin'ireny
fa izaho no tsy niteny.

Satria...
Matahotra aho sao
ho ditsoky ny vovoky ny fitiavanao
ny mason'ity foko
ka ho pahina tsy fidiny
tsy voky taona, tsy nanjoko.

kanefa...
tsy maty vonoina ato an-tsaiko hatramin'izao
izato endrikao
toa saribakoly tsara voatran-Janahary
lafatra sy lavorary.
Toy ny vita sary siokotra ato am-poko mihintsy
ilay endrikao mitsiky.
Indrindra fa ny bika
teliko dia teliko:
mampitsiriritra!

Made a!
Izato volonao e!
Io mihintsy ny ahy no tiako:
tsotra, lava sy malefaka mampite-handrandrana!
Ary izato molotra!?
Mampite-hanandrana
ny oroka omeny
Nahababo ahy aza izato fihetsiketsiny
rehefa mba miteny.

Tsy izany ihany fa.....
Izato tratranao e!?
Mampite-hamihina!!!
Ny eny aminao rehetra
tsy aritro hokitihina.
Ny takolaka sy maso,
sandry, ranjo, fe:
Tiako tena tiako e!
Nambabo ahy ianao Made.

Made a!
Ny kisantolin-tananao: mampite-hitantana.
Ny famindranao: izao mihintsy ilay tadiaviko!
Babo aho made a! Indro efa mitolo-batana.
Ka ento handia sahady izany lapa tsy nodiaviko.

Made a!
Indry ho'aho tiako!
Tiako tena tiako efa hatramin'ny ela be!
Fa tsy hoe vao izao akory
na vao indray mandeha
aho no tsy nahetsika
sy tsy nahaloa-peo amin'ny hatsran-dry.
Fa efa tamin'ireny
efa tamini'izany aho no efa tena tia.

Made a!
Tena indry io mihintsy ilay taolan-tehezana
nesorin-Janahary tamiko fahiny.
Isaorako Azy izany
fa hay moa izy ity
ka novainy ho zazavavy bikana ts'isy tsiny
Ka tsy diso fiantefa ny ahy ny faniriako
Raha hanokana ny foko
ho anao ry made tiako.

JyNo
20 Febroary 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1054 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 01/02/2015 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143