EFA FANTATRAO - jyno
Azo vakiana?
Malala a ! Tsaroan-dry ve ireo oroka nomeko?
Nifanaovantsika mantsy e! ‘Zaho koa toa tia tena!
Ny lanjan’izy iny tsy nihena mihintsy hatreto
Tsy mahavidy azy ny bolongam-bolamena
Ny masonao mibanjina ahy: Tsiambaratelo no niampita
Ny bitsikao malefadefaka: Maniteraka ny fo!
‘Reo safosafo nifanaovana: fitiavana raha toa adika!
Hiaraka ho mandrakizay. Izay no voadintsika roa.
Inty aho malala a! Raiso ho anao fa efa vonona
Hizara ny lafim-piainako ho an’ny tokantranontsika
Ny voadiko efa fantatrao f’efa im-polo no voantonona
Izaho sy ianao mifankatia no tandindom-paradisa!
Jyno
26 nov 2015
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jynoDaty : 26/01/2016
Mpamangy : 1029
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSIKYORA MAMIKO
AMPIO FA TSY SAHY
HAVANA
IZY IREO
MADE
MANDEHANA RY FANAHIKO
MBOLA HO TAFARAY
ANATRA
VAVAKY NY OSA