HAVANA (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa havana manko ianareo
Iray ra sy raza-nihaviana.
Ny endrika avia ange jereo
fa tsy mba sarotra ampitoviana.

Indry izao dia i Bebe napetraka
na ny endrika na ny fijery
ny takolaka mavesabestra
Natahotra tsy ho zafikely.

Raha nitazana anao aho Razoky:
I Dadabe io fa nasiana sanga.
Raha ianao no somary nanjoko
dia be no ho voafitaka angamba.

Ny tsikin'i Nivo e ry lahy!
I Mama raha olon-dehibe.
Tena mitovy mahalany fanahy
izy mianaka rehefa mihomehy.

Fa havana ianao raondriana
na samy hafa aza izao ny fonenana
iray foko sy tany nihaviana
ka ho fasana iray no hilevenana.

jyno
Antsahalemaka, 10 Sept 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1350 2
Mpakafy: Andoharanofotsy - jyno
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 11/01/2016 09:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139