Andriamanitry ny tia (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Andriamanitry ny tia, mamalia raha misy Ianao
Moa fahotako ve raha toa ka tiako izy?
Fa toa sabatra aman-defona no natsatony ahy izao
Ny iray ivoho, ny iray aloha
Trobatrobaka ny fo

Fa namery ahy ny mariny
Fanina aho ka nitsirepy
Moa mba tandriny ny rarainy?
Toa ompa aza no nisesy.
Voatonona avokoa ny reny sy ny olom-pady
Ry Andriamanitry ny tia o!
Valio aho raha mba miangavy

Tanambokovokon-tsiny no nomeny holanjaiko
Fanontaniana tsy hay valiana no eny an-tsefantsefany eny
Fomba ahoana no hampilamina ny ratram-po sy ny adin-tsaiko
Amin’izato fondro be sy kapoka nomeny?

Dia ho fahotako ve nefa izaho tsy naka an-keriny?
Tsy nangalatra ihany koa fa nangataka madio.
Nahoana no toy izao ny valin-kafatra naveriny?
Ry Andriamanitry ny tia o! miangavy aho mba valio

Kapoaka mangidy avy Aminao ve? Hataoko tsara telina
Sa tsilo narandrany hasalony ny foko? Entiko am-pamendrehana
Sa fingana natao hahalavo izany diako fa manelingelina?
Asa! Aleo ho any izany ry Andriamanitry ny tia fa ny fitia fifanosehana.

Aza omena tsiny aho ry Andriamanitry ny tia
Mivantambantana ny teniko noho ny alahelo
Ny kaliverin’ny fitiavako indry manangasanga iry
Eo no hanaovany ny paka ho amin’ny andro faha telo.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 13/01/2015 05:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144