Ianona! (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh! Ianona a!!!
Ianao ity aloha tena mahafinaritra e! aleo aloha dia tsorina
Baribary maso, tsy dia petak'orona
maotimaotina fiakanjo,
tsaratsara ranjo.
Ny tananao ihany koa:
tsy dia lava be ny hoho
ka ataoko fa tsy handratra raha toa ka mihaotra
satria tsy mafy loatra.

Eh! Ianona a!!!
Ianao ity ho'aho tena mahafinritra ahy
Fa sady hendry kely no toa tsara fanahy
rehefa mba ianao no mitonona ny anarako
dia avo zato heny ny taham-pahasambarako.

Eh! Ianona a!!!
Ny firafi-batanao: mampitelin-drora,
rehefa eo akaikinao aho dia te-hiteny mora
hoe: azoko atao ve ny mba manafosafo
ra toa tsy mahadiso sy tsy vidina lafo?

Eh! Ianona a!!!
Ataoko anga isika efa mba mpinamana teny ho eny ihany?
dia ho diso ve aho raha toa ka hilaza sy hitsotra avy hatrany
hoe...............!!!! An an ka! aleo aloha hijanona
sao manko ka hanjary ho tezitra eo Ianona.

11/08/2010
tao Betafo/Antsirabe
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 14/01/2015 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014