You are here: home > Vetso

ANY IZY IZAY ! - KIRIAH

Azo vakiana?

Any ambadika any ho any,
Misy nosy kely iray
Mitahiry ilay akany  
Miampofo tsiaro iray
Nosy kely mahay mitaiza mandrotsirotsy ny fahiny
Babeny  foana na aiza na aiza iny fanahatsiarovako iny.

Dia ao ilay nosy mamiko iny
Milanja vesatra  tsy zakako
Ilay  enta-kely izay navaloko teo anjoro firarazana
Raha iny aho maika handingana ilay tokonam-baravarana,
Raha iny aho tsy nierikerika,
Raha iny aho namikiviky,
Ao ilay nosy mamiko iny  tsy lavo loha tsy mikipy,
Mitsinjotsinjo ny hiverenako,
Mikolokolo ilay fitoerako.

Dia ao ilay nosy miantsangory,
Ireo tantaram-pahazazàko,
fony aho redrin-tory ,
nosy kely bakobako.
Fa izy anie ka tsara fo
Fa izy anie ka tena tia
Ao lay nosy mamiko iny  
tsy nitomany hanaradia.

Ao lay nosy mamiko iny  somebiseby handray vahiny.
Ao ilay nosy mamiko iny...

Nosy mpiambina ny omaliko
reharehan ny vinàniko ((...))

Any mantsy izay .....

                       ndreeee!!!!! ilay nosy mamiko iny.


KIRIAH

Hevitra mandeha

dano (05/12/2012 05:06:44)

tsara b mits

kiriah (05/12/2012 20:52:33)

Melsy e !