You are here: home > Vetso

NY ALAHELO ANAO - KIRIAH

Azo vakiana?

Manao fifaninana amin ' ny orana etsy ivelany
Mitefoka mandotsika ny tafon ' itsy trano
Ny vetso sy toloko
mandena ny aty foko
manjohy anao hatrany
hatrany ambadika any

Ilay fo manganohano

Manao fifaninana amin ny rivotr ' etsy ivelany
Mitsoka izay lalovany eny an-dalany eny
Misavoana ombieny ombieny
ny sentosentom-poko
ny tsiokam-pofonaiko
manosika vinany
hanara-dia ry Aiko...

MALALA O !!!
manao fifaninana amin ' izay rehetra hitany
s'zay rehetra tazany : NY ALAHELO ANAO


KIRIAH

Sokajy : ahy, Alahelo, Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (13/12/2012 23:00:42)

Mahafinaritra ahy foana ny tononkalon'i kiriah...

kiriah (14/12/2012 13:59:44)

Misaotra betsaka ry Hery a! , teto amin 'ity serasera ty nge no nianarako nanoratra tnklo e ! ho tsarovako tkou ny eto refa tonga any amin ny fanjakàko aho , lol !