You are here: home > Vetso

SAHALA - KIRIAH

Azo vakiana?

Nanjombona hariva 'lay andro ry Tiana
ka namelovelo 'ty foko mangina
nitsiahy ny any ho any
dia nanganohano
        namoron-tomany.

Ianao any izay
tsy fantatro akory
raha toa oriory
tahaka ahy koa
mandefa ambiroa tsy laitra toniana
Fa maminavina , misento ts'iniana .

Ny eto malala dia mahasorena
ary koa mahonena
mitafy alahelo  
'zay rehetra jerena
injao mieloelo
Ny embo-mitsiry
Mihabo, mikiry.

Manina loatra  ny foko mitroatra
Ka aza tsiniana  raha toa ka mamangy
Sy be fiangaviana , tokoa fa tsy sangy !


JANAHARY  &  KIRIAH