Taratasy ho an i malala - KIRIAH
Azo vakiana?
ho anao re tiana no anoratako eto indray,
mialatsiny aho raha variana ,tsy namaly hatr' izay,
tsy sanatria aho nanadino ,na nahita olon-kafa,
ny fitiavako fihino ,f efa anao ka tsy ho voafafa.
itantarao vaovao , ilazao zay zava-misy,
ny tontolon ' andronao,tiako ho fantatra mihitsy.
ataovy antsoratra ho vakiko, ataovy antsoratra rahavako,
ataovy antsoratra ry tiko,mangina loatra ilay fitiavako.
ny aty mangina mamanala, tsisy aina manirery,
manembon-dava ry malala, mahatsiaro ho tena very.
fa ianao ilay fitosiàna, any lavitra tsy hita,
sento lava aho farariàna,lasa saina ny amintsika.
mbola ao ve reo mpifosa ?,miandry antsika mba ho lavo,
tandremo ianao sao osaosa, ka reo tsy tia ho faly ,ravo .
toky ihany no omeko,toky mamy tena voadiko ,
ianao ilay nekeko , zay anjara ho an ny hoaviko.
ho faranako ny soratra, vita aloha ny androany,
ny diam-peniko no oroka, hisolo vatana ahy any,
ilay foko toa nisaona,velon-kira indray zao,
veloma kely mbola hihaona, hoy ilay malalanao.
KIRIAH
Hevitra mandeha
tiarah (21/09/2010 13:36:25)
Tsara kely, izany tokoa ny hoe lavitry ny maso akaikin ny fo e!
kiriah (04/09/2011 07:30:21)
" TARATASY HO AN I MALALA " dia amboaran-tonokalo kely atolotra ireo lavi-tiana rehetra .
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 19/09/2010
Mpamangy : 3819
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA