ZAFIM-BAZAHA (Mikalo nantenaina )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao herin'andro nomem-pahefana
Dia niova fitafy,niova famindra
Niova avokoa ny fomba fanao
Fa notsofiny rivotra avy any ampita

Ny fitenin'dRy zafy toa mibadabada
Tsy voahavaka intsony ny NENY sy DADA
Ny fomba firesaka tsy lazaina intsony
Fa efa niova hatramin'ny rano sotroiny

Adinony teo ilay maha gasy anazy
Fa naleony nanorina fiainam-baovao
Nadinoiny tanteraka ilay feon-tsodin'dRakoto...
Fa naleony niangaly mozika vaovao

Miedinedina iZAFY am'izato famindra
Ny maso jopika mahery fiantefa
Kanefa,iny lahy raha asiam-pandinihana
Dia maso voamboatra amin'ny karazan-doko...

(mikalo nantenaina)
ny 02 jolay 2020
--------
Rohy:
587 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 05/08/2020 15:36
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107