GAÔGNAN'ANTSIHANAKA (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GAÔGNAN'ANTSIHANAKA

Ilay gaôgnan'Antsihanaka lazaina mpanao ôdy
No lasa mpanasitrana nahitana fanafody
Ôdy gasy avy amin'ilay hoe: mpanazary
No nitsaboana olona, nahasitrana marary


Misy aza moa no sahy milaza mihitsy
Fa ny gaôgnan'Antsihanaka mamely tsy mitsitsy
Na ambalavelona, fanainga lavitra sy ôdy fitia
Fa ny fitiavana ve azo terena sanatria?


Ka asakasakao izay manenjika ny gaôgna
Manaratsy, manaraby fa izy eny faona
Tsy andro no isaina fa volana aman-taona


Fa isika rehetra kosa antenaiko tsy ho valaka
Hanadihady lalina, handinika malalaka
Izay no ambarako amin'ilay gaôgnan'Antsihanaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1281 1
Mpakafy: SIOKATOKANA
Hevitra mandeha
Zozoro ( 08/08/2011 06:38)
Mba manontany kely fa tena tsy fantatro :Inona le hoe "gaôgna" ?
SIOKATOKANA ( 08/08/2011 07:26)
le hoe:gaôgna dia "lehilahy" no dikany any antsihanaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 04/08/2011 05:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0579