Mahery Sombinaiko (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa zanako Mahery
Tokan’I Aiko ialahy ry sombinainakeliko
Zanako ahy irery niaraka nizaka
Sy niady mafy tamiko nigoka ny onjam-piainana

Anaka!
Tapitra hitanao ny adinay sy I dada
Tsisy tsy fantatrao ny fahoriana entiko
Mikiky anatinao ny ratrako sy feriko
Fa mahery setra loatra I Rainao

Soa fa!... zanako Mahery ho an’I Aiko ialahy
Ka imatimatesako avy etsy sy eroa
Mahery!.. tadidio tsara izao tenin’I Neny izao…
“Na hanompoako olona mitovy amiko aza
Ny hahatafita anao
Dia ekeko tsy maninona
Raha izay no lalana mety ho antsika mianaka”
Fa n’inona ho afeniko sy tsy ho lazaiko anao
Raha mbola ny ràko sy ny an’ny Dadanao
No rà mikoriana ao anatinao dia…!
Mino aho… mino aho…
Fa tsy misy takona tsy hiboraka aminao
Ny zava-misy marina ato an-tokantranontsika

Maherin’I Aiko moa ialahy e!
Zanako!
Io no… dadanao vatana
Io no… dadanao fanahy
Tena dadanao io anaka
Ka n’inona fampahoriana n’inona fampijaliana
Hampiziogany antsika mianaka
Dadanao foana io

Ka ‘ndeha aloha hiara-hitanondrika sy hivavaka isika
Ray ô!
Iny I dadan’I Mahery
Tolory fahendrena ao aminy
Ka n’aiza n’aiza dia alehany n’inona ho fikasany
Dia aoka Ianao no hitari-dalana amin’izay rehetra hombany

Mahery!!! Tohizon’ialahy ny vavaka…
“Jesoa ô !
omeo fahendrena I dada
tsy hampijaly anay sy I Neny
AMEN !!!”


Alin’Ni..! 22 Aprily 2009
Zandry NI..!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152