MALALA LAINGAKO (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!
Nandainga taminao aho
Ka dia… hifonako etoana !!!
Nandainga taminao aho!
Izaho ilay nidoka ho mpanambola be
Nolazaiko ireny mba hambabo anao
Nefa raha ny marina na fiara iray aza tsy anananay

Iny vata fiantsoko entiko an-tanana iny tsy mandeha akory
Fa ‘lay kilalao eny an-tsena ireny
Izany ihany koa no tsy nanomezako nomerao anao
Ilay rojo volamena nataoko homena anao tsy mba ahy akory
Hitanao angamba fa tsy tety intsony izy tao ho ato fa zavatra nindramina

Malala a!
Laingako ‘lay hoe anay ‘lay tranobe
Natoroko anao tamin’ny herinandro
Menatra anao aho nefa…!
Te hanome anao izay tsara indrindra sy ny tena lafatra
Saingy tsy mbola mahatakatra
Dia lainga no alahatra mb’hitiavanao ahy
Menatra aho…! K’izao tonga milaza ny marina izao
…Aza omena tsiny aho f’izany no nataoko dia fitiavako anao

Malala a!
Dia mbola laingako ‘lay hoe
Nenintoanay ny ben’ny tan…nantsika
Dia dadatoanay koa ny Senatera
Laingako ireny ka mba tsy hametra-pery dia aleoko mitsotra
K’izao no tena marina
Diso tia anao lalina aho ka tetika sy paika nentiko azahoana anao
Izany rehetra rehetra izany
Mifona akia malala izay no faran-daingako …Marina e!

Alin’ Ni..!Avrily 2003
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1464 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142