MANGITSY NY RIRININA (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangitsy ny ririnina
Fanala koa ny atoandro
Ianao ‘lay nofihinina
No solona akanjo nanafana ny alina

Manara ny hirifiry
Mangoly lohataona
Ny felana nitsiry
Malazon’ny fotoana tsa naha teo anao

Tsary hoe fidongy diso fiantefa
Ity fitarainako ho mangatsiaka lava
Fa!!! ‘ty lobako manify niaritra ny taona
No tsy mahatafy intsony
Ka mila anao hamony hafanana maminy

Mangitsy ny ririnina
Manara hirifiry
Fanala koa ny atoandro
Dia ngoly lohataona ny menamasoandro
Handoko ny ririnina…
…………………..

tsinan’ Ni..! 27 Avril 2006
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1924 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147