MITOMANY NY EFITRANOKO (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitomany ny efitranoko
Fa babangoana ny tokonako
Sary iray no mba nindramiko
Fa mafy izany fatahorako…nony injay tsy teo ianao

Ilay vazy aman-draozy
Fikolokolonao teo
Ts’isy izay hikarakara
Fa malazon’ny fanala…nony injay nilaozanao

Ilay vera fisotroana
Toaka mamy fony ianao
Vaky aninkeo maraina
Fa tsy voaazon’ito tanako…noho ny tsiarotsiaro anao

Ilay kidoro fatoriana
Olon-tokana no sisa
Mandany ny alina ho maraina
Ilay lamba firakofantsika
Rota hatreo am-pisasahana…nony injay tsy nisy anao

Ilay tanana fitantako
Sary sisa manambara
Ny toera-fitosiana
Fa! Lasa lala-maty ireny…nony injay ianao tsy teny

Mitatao vovonana Ni.. !23 Jona 2000
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103