NAHAGAGA AHY INY ALINA INY (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahagaga ahy iny alina iny
Fa toa tapitra voafihiko ny zorom-parafara
Vao naraina ny androko

Lay ondako iny aza mba nahasolo sandry
Hamihina ahy rahefa
Injay hipatrapatraka ny ranom-panala
Fa …! Manina… malala

Ny nivadibadihako tsy nahitako tory ?
Noho ianao tsy tonga tamin’ny fotoana
Angamba no efa antony

Nahagaga ahy iny alina iny
Fa nofy anie izany e!!!
Irony atao hoe mamy amin’ny fitiavana
No nameno ny aliko

……………
dia tena nahagaga
Fa tiako ianao angamba matoa notiaviko
Tsy ankisalasala
Tanaty oram-potsin’alin-kasambarana


posak’andron’ Ni..! 19 Aprily 2002
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1129 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138