RAY ô (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô
Raha izao tokoa ny ora farany
Handalovako eto an-tany
Dia ankiniko aminao
Ny fanahiko tontolo

Ary ‘lay saika ho andefimandriko
Fenoy hery ny androm-piainany
Ka tsy hisaraka aminao
N’aiza n’aiza dia hizorany

Ray ô
Raha ‘zao tokoa ny ora farany
Hamehezako ny lasako
Dia aoka ao an-dapanao
No hany tokana ho fasako


Alin’ny 02 Febroary
11ora 03 mn alina Amboronomby

Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1020 1
Mpakafy: ari.malala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143