RITSOKA (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ritso-balihy tsy misy fanahy
Korintsan’amponga mangina fidona
Izany no ako mba nahataitra ahy
Rehefa ianao no tsarotsaroana

Tsy avy hiaina ‘ty vatako ngoly
Toa andro ririnina ery an- dohataona
Lavitra e! lavitra loatra ka hila tsy hitony
Ny fanirina sy ny te hihaona

Sodin’ikaky miangola fahiny
Mivazo ny “manina anao aho ry tiako”
Ataoko angamba fa tsy misy tsiny
Ny fanembonako sy faniriako

Ny … ô Ralin-drazandry diavolana
Izay mikivenjy amin’ny rahosi-jamba
Te hanalavitra izato olana
Embona irery ka tsiaro ho banga

Soa fa nisy ritsoka arahin’ amponga
Izay mandamako ny volon-dririnina
Soa fa nisy sodina nenti-nanonja
Imoron’ny lala tsy hita ho fihinina

diavolan’ Ni..! 19 Janoary 2000
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
998 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174