SOGA ... TARATASY (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataovy ampy ho fifaliana ho antsika sombinaina
Izay azontsika anio mba hanohanana ny aina
Ataovy mahavoky koa izato ambina sosoa
Fa mbola hisy fa tsy nofy kibo izay tsy handry fotsy

Ataovy ampy hahatafy izato tapa-tsoga kely
Fa ireo voa izay nafafy mbola hamelana tantely
Ataovy ampy ho fifaliana ny trano bongokelintsika
Fantatro fa fahoriana tsapako fa mangatsiaka
…nefa!!!
Mahereza izany zanako
Fa raha mbola eo ny tanako tsy tsaha-hiepaka ho anao
… eny!!!
Ataovy ampy ho fifaliana
Ataovy ampy hahavoky
Ataovy ampy hahatafy
Ny soga kely taratasy


Ho vaky masoandron’ Ni..! 08 Avril 2000
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
762 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097