ANDRAMO FOANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRAMO FOANA,

Mety tsy nitsimoka akory ny nafafy
Dia tonga nigaina ilay hainandro;
Tsy afa-mivalampatra fa mihafihafy,
Toa mangidy lela foana isan'andro.

Valabalaka ianao vao maraina
Kanefa ny alina mbola ho lava,
Miady irery tsy afa-mitaraina,
Ny fanantenana mitady ho rava.

Lasa ary ny saina indraindray,
Moa va misy izany Andriamanitra ?
Toa fahoriana hatrany ny anay,
Na tsy tiana aza, voatery miaritra.

Izao havako,
Tsapako sakaiza ny mahazo anao,
Rariny loatra tokoa raha ho reraka;
Kanefa tsarovy f'ireo ezakao,
Na tsy ho anio, tsy maintsy ho tanteraka.

Koa andramo ihany, ifikiro mafy!
Mbola ho tonga ny fotoam-piotazana;
Ireo fotoana izay nampihafy,
Tsy hisy intsony, tena ho ngazana!

Ny Herimar
14/07/2023
--------
Rohy:
253 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 14/07/2023 16:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206