MAHAZO MITOMANY (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAZO MITOMANY

Manenjika anao ve ny lasa omaly?
Mitanisa aminao ve 'reo nofy tsy tratra?
Moa ve ianao mahatsapa mijaly?
Izay jerena toa mitondra ratra?

Mitady ho very ny fanantenana?
Ny saina mikiry toa niova malaina?
Ilay voro-mpihira lasa tsy tana?
Toa toloko foana ve isa-maraina?

Eny, aoka ho tony ianao rahavako,
Tsy hoe resy ianao raha tratran'izany;
Tsy hoe hanampy trotrako koa ny vavako
Fa hoy izaho hoe: mahazo mitomany.

Mahazo mitomany raha sendra ady mafy,
Mahazo mitomany ianao raha potraka,
Mahazo mitomany fa aoka hihafy
Ny tany misy rano tsy ilaozam-potaka.

Androany mety maloka fa rahampitso hafa,
Aza manaiky resy raha mbola tsy niady;
Fa na inon-kidona dia tsy maintsy tafa,
Ny mivarilavo no ataovy fady.

NY HERIMAR
09/06/2023
22:47'
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 13/06/2023 07:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153