TSY HO JAMBA (NY HERIMAR)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO JAMBA

Fa maninona ianao no miaritra hatrany
Amin'ity tovolahy tsy vonona akory?
Tantara vao manomboka dia efa tomany,
Ianao isan'alina tsy mahita tory?

Ny momba ny ho avy tsy iasany saina
Fa ny Tompo ao ambony no ataony fialana
Ianao mifikitra, avy eo miala maina
Ny anjara indray lazainy tsy tamana.

Izao no tena marina raha tsy fantatrao:
Ny lehilahy vonon-tsy hilalao fitia,
Miteny sy mitsotra izay ao am-pony ao
Ianao handramana na ho doria
Fa ny olon-tena tiany efa hainy amin'izao.

Raha tena tia izy mahafoy fotoana foana
Na tahakin'inonona asa iandraketany;
Miaritra ho anao, eny tsy hatsiaro noana,
Ny fahasambaranao no fahafinaretany.

Tsy ianao tia azy no zava-dehibe
Fa moa ve izy mba tena tia anao?
Sambatra ve ianao amin'izy tsy re
Sa mitomany mangina ao an'efitrao?

Ny fotoana mandeha manova tantara,
Sao ianao ihany no sakana mijoro
Hanakana ilay olona izay tena ho anjara,
Mahay ny momba anao ka hanaja sy hikolo.


NY HERIMAR
02/06/2023
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 06/06/2023 05:25
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112