TSY NY OMALY (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NY OMALY...

Ny nenina tokoa fanafody mahavery,
Mampamisavisa ny nilaina fahiny;
Ny zavatra aterany manampy 'reo fery,
Mampameno toloko ny ankehitriny.

Raha tsapanao tsy ampy ny ezakao omaly,
Tsy manamelon-tena fa tsisy tonga lafatra;
Na eo ireo latsa mandrehitra afonjaly,
Ny lesona no tsoahy, tsy adino ireo hafatra.

Ianao mandroso foana no zava-dehibe,
Ny lasa sakaiza tsy azonao amboarina;
'reo fomba ratsy ihany no avelao r'ise
Fa ny tsara hatrany ezahina takarina.

Tsy ny lasa omaly no hamaritra ny ho avy,
Tsy ny tsiky anio no midika fahasambarana;
Ny olona mahia izao mety hatavy,
Ireo mahantra miezaka koa mbola hanana.

Koa aza variana amin'ny hoe tahak'izay,
Atody vaky tsy misy fanafanana;
Efa zava-dehibe ilay mahatsiaro fay,
Avia mitsangana, mbola lava ny lalana.

NY HERIMAR
10/07/2023
00:42
--------
Rohy:
385 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 12/07/2023 22:50
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144