TSY HATAHOTR'OLANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HATAHOTR'OLANA

Raha misy fotoana iray mampahory
Na mitsoka mahery ny rivotadio,
Tsy omen-toerana ny sorisory,
Ny saina sokafy, ny fo ahidio.

Ny zava-drehetra mety tsy ahafaly
Kanefa tsarovy fa tsy tonga ho azy;
F'ireny sedra izay nampijaly
no ho zary hery hanapaka tady.

Manampy ny olana, sady manefy,
Ny saba-maranitra nandalo afo;
Ny fiainana koa kodiaran-tsarety,
Misy ny mora, misy fotoan-dafo.

Tsy voatery hahajoro hatrany hatrany,
Mba misy koa ny fotoa-malavo;
Fa ny setrin'ny asa sy ny tomany,
Fo miramirana sy ravoravo.

Hiteny ianao amin'izany fotoana
hoe soa ihany niseho izy ireny;
Dia hiova anatra sy lesona foana
'Reo ola-mahery izay nankalemy.

Na tahaky ny inona fera mahery ,
Imason' ny asidra mitsonika ihany;
Ka n'inona olana amim-potoan-tery,
Ny fo efa vonona tsy mba iasany.


NY HERIMAR
16/07/2023
02:51
--------
Rohy:
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 16/07/2023 01:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153