PERIVERA NARISISIKA (NY HERIMAR)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PERIVERA NARSISIKA

Ho very foana isika raha hitsara ivelany,
Ho diso kajy ihany raha hino izay lazainy;
Ny dokotra manidina raha tsy tapak'elany,
Maro ireo saka tsy hahazo izay ilainy.

Misy olon-dratsy misary mody hendry,
Izy diso indray no manameloka anao ;
Aleony mangina, hono, sao mandrebireby,
Izany hifona izany tsy hainy atao.

Ianao indray no gaga sy miteny irery:
Fa inona no nataoko an'iny olona iny e?
Ianao ao mijaly tsy mety sitram-pery,
Izy anefa any ho any manao izay tiany.

Misy koa any karazanon-kafa
Miseho ety ivelany fa masina erÿ;
Kanefa ny faharatsiny mivatravatra,
Saka manafin-koho, mpihatsara velantsihy.

Fehiny, aza variana mitsara ivelany
Fa ndrao ho diso kajy ka harary fo;
Ny olona anie misy mamy amin'ny lelany,
Fa ny saina entiny, motraka sy lo.

Aza iasana saina izay teniny any,
Aoka koa ianao tsy hanamelon-tena;
Izy ve no diso dia ianao no hitomany?
Dieny tsy tonga lavitra, ianao miverena!

NY HERIMAR
13/06/2023
06:51'
--------
Rohy:
313 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 13/06/2023 07:38
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015