JEREO NY FITARATRA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JEREO NY FITARATRA

Ianao mitady mpanoha-mahatoky?
Raiso ny fitaratra ka mba zahao;
Io tazanao tsy mba misoloky,
Tsy mba manary amin'ny lalanao.

Ny mahazo anao, tsapany tsara,
Tomany sy tsiky? Iarahany izany;
Ho anao tsy nino dia tsy mbola tara,
Fa tsisy toa azy raha eto an-tany.

Ianao no tafita dia izy ihany,
Ianao koa na resy dia eo izy;
Ny fanohanany dia tsy lany,
Ianao anie aminy ka sarobidy.

Mety gaga ianao hoe iza ary,
Toa izaho foana no tazako eto?
Eny tena marina mibaribary
F'ianao mafy no itoeran-tsento.

Ilainao ny hafa, ekeko izany,
Fa ianao koa dia ilainao;
Ka aza manaiky izay filàny,
F'ataovy aminao raha azo atao.

NY HERIMAR
13/07/2023
23:25'
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 14/07/2023 14:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154