PÔZITIVA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PÔZITIVA

Fa lany vorona ve moa ny tany
No vorompotsy sisa ompiana?
Akohokely efa tamana any
No kotrehina mafy sy hampodiana?

Topazo maso ery ambony amotana
Fa feno tsorohitra mihira ny ho avy;
Ny tranony amin'izany tsy mba mikorotana,
Ianao eo anilany tsy mba manavy.

Aza mitsiritra manenjika lolo,
Tondraho ny paiso ho raiki-pelana;
Ny ety ange ka mora bobongolo,
Ny zava-drehetra mandalo miserana.

Tetsy izao taloha, tany karakaina,
Tsisy mpialokaloka, nataon'olo lalana;
Fa rehefa nisy raozy, lasa zaridaina,
dia tonga toy ny lolo ireo tapaka sy namana.

Ka maninona Sakaiza no tsy faly ianao,
Amin'izay voatsinampy nafafinao teto?
Araho finoana fa dia ho tsapanao
Izany fiadanana ambadiky ny sento!

NY HERIMAR
2023
--------
Rohy:
317 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 12/07/2023 23:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164