AOKA HO TONY (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA HO TONY,

Aoka ho tony na inona tampoka,
Aoka ho tony dia hilamindalina;
Aoka ho tony dia miezaka mifantoka,
Aoka ho tony f'aza mora fanina!

Ny olana madinika anie misy foana,
'Reo tsy nampoizina manginy fotsiny ;
Aoka aloha hitony f'avelao ny fotoana
hamalona ny lasa, hitondra ny tosiny.

Iry rano iry izao mba naniry
Handeha hanjohy iny tatatra iny,
Kanefa tanikeo dia nisy namily,
Saingy tony izy, tsy nanome tsiny.

Ikaky sy Neny moa efa elabe
no niaritra foana tao an-tanimbary;
Ny vokatra azony avy eo marobe,
Ny miezaka mantsy vonjen-Janahary.

Ka aoka ho tony na inon-kidona,
Ny ezakao tsy ho very maina;
Ny vatana mitraka, ny saina mirona,
Ny alin-kitroka dimbiasan'ny maraina.

NY HERIMAR
12/07/2023
10:48'
--------
Rohy:
313 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 12/07/2023 23:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158