Iza? (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mason’iza no tsy hibanjina raha sendra ianao mandalo?
Fon’iza no tsy hidoboka raha vao seraninao?
Mpamoron-kira iza no tsy hivimbin-kalokalo
sy tsy handraraka ny vetsony raha vao mahita anao?

Tranon’iza no tsy ho lapa raha vao hitoeranao?
Tsikin’iza no tsy hitranga, ho fambara faniriana?
Redin’iza no tsy hiraraka hiantsa ity hakantonao?
Zazavavy iza no tsy ho tia anao mangina?


Ny Radontsoa Mamiratra
20/08/2018
--------
Rohy:
120 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 28/01/2024 18:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149