Izay!!! (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa hasambara-malia
ho rava amin’ny volana ambony
no entinareo mba hitia
sy hampitaha ity foko amin’ny fony ...

Dia tsofiko rano 'nareo.
Ary aza ampidirina akory
amin’ny resakareo aninkeo
ny "izaho" fa toa manorisory!

Raha toa ka fitia randram-bao
no hany mba misy sy hita
ao anatin'ny fonao ao,
Dia aleoko tsy hisy ny "isika"!

Fa ny hasin'ny fitia trotroiko:
Mahery noho 'reo langonao;
Tsy hariako ary tsy holotoiko
amin’ny resaka fy sy lalao ...

Koa dia omen-dalana ianao.


Ny Radontsoa Mamiratra
Novambra 2023
--------
Rohy:
124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 21/11/2023 11:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0619