Kalo diso paika ... (Ny Radontsoa Mamiratra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivolombolom-panahiana ireo hirahira avy any:
Kalom-panahy malahelo …
Fa ‘lay saham-pifaliana
notataovim-paharavàna,
efa lolo sy avelo …
Ny foko izao toa nofy monja,
eny anivon-drano lalina,
lalaovin’ny tafiotra …
Ny tanako eto voafonja,
tsy afaka ny mba hanarina
ny hambo lavon-jioga.
F'ilay anjely natao mpiambina
ny foko saro-pady,
toa nanjohy ny habakabany;
Nahalavo an’ireo tanjon’
ireo kiriko niady
ny hitampify eo an-tratrany …
Ô! Ry kalokaloko eto,
rahoviana vao ho tsiky
no hafafinao ety?
… Atanjozotrako ny sento,
anaronako ny ts’isy
sy andevenako fitia …
Ny Radontsoa Mamiratra
20/06/2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa MamiratraNampiditra : NyRadontsoaMamiratra
Daty : 15/04/2025 12:52
