Tsaroako - Ny zo Rado Herizo
Azo vakiana?
Isaky ny mitopa midoboka ny onja
Dia injany tsaroako midoboka koa
ilay foko toa feno sy tena mafonja
Zay singan'irery fa nisara-droa
Tsaroako ilay masonao nanganohano
Ilay tsiky niserana anaty tomany
mahita ity fasika vonton'ny rano
Nahoana no sompatra ianao re ry tany
Tsaroako ilay feonao nibitsika mora
nilaza ny akon'ny fo mbola tia
Mahita ireto onja toa velon'ankora
An'ity izaho nanda kanefa dia tia
Eto tsapako ny hadisoako
eto hitako ny fahalemeko
Nahoana eny iky no izao vao tsaroako
f'ianao no ilay tokana izay FANDRESEKO ?
Ndeha hiezaka ho any aho
sao mbola tsy tara
Ny zo
Sokajy :
fisarahana, fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzoDaty : 24/11/2004
Mpamangy : 2490
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
INY OLONA INYALEO MANADINO
Noelin'ilay mpanasa lamba
Ho inonao
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Adala taminao
Ny zo