ITY TANINTSIKIA ITY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY TANINTSIKA ITY

ity tanintsika ity
dia manan-karena fiangonana
nefa mahantra'olo-marina
toa manan-karena olo-manga
fa tsy dia manana'olon-tsoa
toa maro manam-pahaizana
saingy nilaozan-dRafahendrena

dia...!
ny marina takotakonana
ny olo-meloka tonga olo-marina
ny lalàna tsy mety voahaja
hiketsehana'ireo tombontsoa
mba mankaiza ny fanabeazana?
hapiroboroboana ny fitiavan-tena

vokany!
ny firenena injao mitotongana
lavo tsy mety tafarina
ny harena efa mila ho fongana
tsy fantatra izay tena marina

indrisy, ry Reny malala
ilay nisotro ny rano tsy tiana!
ilay nizaka ny tseran'ny aina!
ilay nisedra ny mafy dia mafy!
ilay nizioga ny fahalavoana!
rovi-damban'ny fahababoana

sendra izay zanaka adala
tsy mahatsapa izay fahoriana
ary sendra izay sombiniaina
be tenda tsy vonon-kiafy
sendra izay tia fandrosoana
ka ity reny no botobotoina

indrisy ry Reny malala!

RAIMS RANDRIAMALALA (Mavonjy Aimé)
04 aogositra 2022
--------
Rohy:
413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151