AN-DAKILASY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AN-DAKILASY


Androany Talata faha fito avrily,
taona roapolo n'arivo fahatelo.
Aoka hifantoka tsara, rankizy!
Mba hahaliana sy hamerovero
Ny lesona atao ka ho mora tadidy.

Ny hanombohana tsara an'izany,
andeha aloha diovy ny solaitrabe!
Solon'ny mamafa trano androany.
Ny ambiny kosa, mamoaka kahié...

Toy ny mahazatra dia ireo efa vita,
somary hiverenana hadinina kely.
Sa mbola misy entimody iny isika?
Dia mody fanina saika tsy hiteny.

Angamba izy any dia efa masiso,
ka izao no anaovana ny fanitsiana.
Mba mitsangàna: ny laharana fito!
Fa hotsairana sy ho hanontanina...
[...]

Ny ato toa marina be tsisy kianina!
Kanefa ny toko mahakasika an'io,
Adiniko am-bava: niova tsy marina.
Ka moa nandika ny an'iza? valio!

[...]
Mahazo mipetraka fa hafa indray,
izay mba nahavita dia ento jereko!
Sa ato ve izany tsy misy mahay?
Raha ditra-kotaba anefa dia sefo.

Raha misy tsy azo ny lesona ireny...
Nahoana ianareo no tsy manontany?
Mazava hatrany no mba valin-teny!
K'aoka hiala nenina farany eto ihany.

[...]
Isaorako indrindra ny nandray anjara,
nahasahy niteny izay mbola tsy azo.
Ny rehetra afa-po sy mahazo tsara?
Aoka hitony amin'ny zavatra hahazo.

Dia aza malanga be intsony ny maso,
fa ataovy vonona ny taratasy...
Atsofohy ny kahie ho any anaty kitapo,
fa atao fitsapana, ianareo iray kilasy!


RAVANONDRAZANA
29 avrily 2020
--------
Rohy:
647 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 01/05/2020 12:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146