ANGIVY (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGIVY
.
.
Angivy zetra
mangidy tsy laitra
Kely jerena
kanefa mafaitra.
Ny bika sy ny endriny
maha te hitelina
Ny ratsy ao anatiny
anefa no hafeniny...
.
( anaty fianjaikany
kanto sy raitra )
.
.

Nohon'ny angivy
izay tiana hosetraina
Dia tanora maro
no simba toe-tsaina.
Lasa tia handrana
maika ny ihinana
Nefa ao am-bava izy
dia mahasahirana...
.
--'lay ngidy mamono
mandreraka ny aina--
.
.

Ny angivim-pitia
maha ratsy fihafara
Na koa fanitsina
ny fiainana ho tsara.
Ny mangidy rora aza
dia efa milaza...
fa izy dia angivy
mpanimba ny zaza...
.
--'lay angivim-pitia
mandidy ny Anjara--
.

RAVANONDRAZANA
04 Avrily 2020
--------
Rohy:
522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 30/04/2020 16:05
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107