ANY ALAOTRA ANY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY ALAOTRA ANY


Manerika ny aty e! Mahalasa inty vinany
Mandefa ny fisainako hisidina mankany.

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola misy ny hoe
Miteny rehefa lany ( fa tsy mbola voky ).
Mba hanampiana vary;
Fangarom-boanjobory na ny tsaramaso;
Ampiana ro matsatso,
Tsy an-kanampy vola...
Ny fiainana any mora
"Mampisekoseko", hoy ny teny avy any
Indrindra miaka-bary...
Koa aoka habaribary
Fa lavitry ny any, ny teny hoe: "mosary".

Ny any midadasika: lemaka sy avoana
Samy hoe voavoly, manaraka fotoana!
Ao ireo tsaramaso, katsaka ary voanjo.
Karaoty sy tongolo, ny anana, voatavo,
Ny sisa sy ny sisa...
Ao ireo fiompiana ny akoho sy ny gisa.
Ny gana aman-jatony, any an-jetra any.
Ny omby ao an-kijany
Misy ao an-tanàna, izay maro sesilany.
Ny ondry koa tsy ferana
Mitosaka manerana ny
Havoana maintso mavana.
Mambabo ny mpitazana
Ny fiainam-panaperana any alaotra any.

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola misy trondro
Maro isafidianana kanefa mora hatrany.
Ny resaka hoe:" harena"?
Tsy hoe mandoka tena,
Fa ny any no ahitana ny zavatra rehetra.
Na ao an-Jahamena, na any anaty zetra
Dia maro raha maniry: tsy dia fahita firy.
Maro biby harovana sy harena sarobidy
Karazam-batosoa... manerana an'i Didy:
Didy ilay kaominina lehibe indrindra any.

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
Ankamaroan'ny any? sihanaka tantsaha!
Nefa raha fananana tsy menatra mitaha
Manoloana ny hafa, ilay any alaotra any!

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola hoe sarotiny
Mandala fomban-tany...
Ny any anie ka tompony
Raha resaka toy izany!
Fa manam-pahendrena mahamalagasy,
Mandala kolontsaina, sy ny soa-toavina.
Tsy tia ny zava-dratsy fa
Mahitsy sady marina ny any alaotra any.

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola tanindrazako...
Ambato sy Amparafa: toerana tsy sarako
Singaniko ny Ambato fa
Tanàna nahalebeazako,
Nilatsahan'ilay tavoniko.
Ràn'ny foko sihanaka no enoko tsy miato
Manenika ny vatako, ary aleo koa tsoriko
Fa sihana-dray sy reny, inty olona miteny!

Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola hiverenako...
Iriako mba itoerako, rahatrizay ka miasa
Any mihitsy izany, no ataoko ireo kinasa
Izay efa nimasoana...
Ho fampandrosoana 'lay faritra niaviana.
Any antsihanaka any
No tiako ifantenako an'ilay fanambadina
Any no anorenako ny mba "fianakaviana"
Raha sanatria tsy any?
Dia noho ny fitadiavana fa tsy manadino
Kanefa kosa mino fa...
any volana, any taona
Dia inty aho hiverina, ho any alaotra any!



RAVANONDRAZANA
24 JANOARY 2022
--------
Rohy:
437 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : RAVANONDRAZANA
Daty : 27/01/2022 14:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015