ANY IZAY IZY ANY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY IZAY IZY ANY


Any izay Ambato...
Tanàna iray nofisiko isak'alina tato ho ato.
Isaky ny mihetsika aho toa lasa saina any
Mamelovelo foana hila hirotsaka tomany!

Any izay Ambato sy ny fombafombany ao.
Hafa tena miavaka amin'izao tontolo izao
Ny fahendren'ny ntaolony tahafina ankehitriny.
Tanàna mahatamàna mahasarika vahiny!

Any izay Ambato sy ny namako fahazaza,
Ireo toera-nilalaovako, ny sekoliko fanaja;
Ny fiangona-nanabe, ny toerana falehako,
Ny tavoniko milevona, ny trano izay nitoerako.

Any izay Ambato ilay tsy miala anaty loha
Tanàna mbola misy ireo malalako taloha.
Ny any izay jereko fahatsiarovana daholo
Hany ka ankafiziko amin'ny foko manontolo.

RAVANONDRAZANA
06 JONA 2022
--------
Rohy:
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : ravanondrazana
Daty : 07/06/2022 17:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144