You are here: home > Vetso

FANAONAREO MPANORATRA - Ravanondrazana

Azo vakiana?

FANAONAREO MPANORATRA


Teo am-pamakina ireo sangan'asanao
Tao anaty tambazotra aho
No zary velon-tsento, nahatsapa ho voadonan'
ny resa-pivavahana sy resaka finoana.
Avo lenta loatra sy manam-pandrosoana
ny fitiavana, hoy ianao...

Teo am-pamakina ireo asa soratrao aho
no saika hamela hafatra, hamela teny kely.
Kinajo lasa nihitatra, ka ny hany farahery:
nandray izato penina ho ambony taratasy.
Soratako eo daholo ny vetsoko ato anaty
Nateraky ny kalo fanaonareo mpanoratra.


RAVANONDRAZANA
11 JONA 2022 17:44