FIANARA - Ravanondrazana
Azo vakiana?
FIANARA
Ny Alahady fahatelo
Faha valo ambin’ny folo ny volana Aogositra
Sivy ambin’ny folo sy roa arivo mantsy no,
Andro fahatsiarovana, fotoana iray nanoritra
Inty ankehitriniko sy ny ho aviko atsy ho atsy.
Fotoana fohy kanefa miraikitra ato an-tsaiko
Ilay hadalana niakatra vao tojo anao ry tiana.
Ny dingana voalohany no fotsiny mba sahiko
Nokizirana natomboka fa hay ianao koa liana
Dia tsy te hitoetra ela, tao anaty finamanana.
Isaorana Andriamanitra ‘lay tsara fitantanana.
Ekena, izaho manaiky fa ianao tsy tsara akory
raha misy mampitaha.
Kanefa sarobidy noho ny volana eny ambony.
Raha amiko ianao tsara fa mahasilaka fanahy
T'anaty raoby tsotra tany am-piangonana iny.
Koa aza omenao tsiny raha haborako lazaina
"KRISTY FIHAVAOZANA AMBATOTSIDIKAINA"
Tempoly iray namaritra ny Lahatra sy Anjara
Tamin’ny fialan-tsasatra nataoko tao Fianara.
RAVANONDRAZANA
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 28/01/2022
Mpamangy : 160
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ANY AMBANIKO ANYANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA
SITRAKA
EFA NOLAZAIKO ANAO
MAHAVALALANINA
HAFA HOY AHO IANAO