HAFA HOY AHO IANAO (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA HOY AHO IANAO



Feo malefadefaka miritsoka ao an-tsofina
mandona ny fanahy,
no indro izao fa henoko
mampangorintsina ahy
mihanoka ity alina mangina dia mangina...

Eto aho no mahatsapa fa mbola hafa ihany
ny anilan'ny olon-tiana.

Paradisa an-tany tsy fantatro hofaritana fa,
Toa mangetaheta hioatra sy handingana
ny kintana any lavitra ny tenako eto izao!

Mantsy hatrany ianao
no fototry ny vetso sy ny embon-tsasak'alina.
Ianao ilay mpandamina
ny sompatry ny hatsiaka sy ny rivotra mifofo.
Na aiza na aiza toerana, na inona aza loza
miseho ho tena "boto" mikasa hanao barofo
ny fiarahantsika roa.

Mby hampiaiky volana an'izao tontolo izao
ny fisian'ny fahagagàna rehefa eo ianao...
Ny dobokin'ny foko manaraka ny ngadon'ny
ako izay vokarin'ny orana mikija any an'anona any.

Ny resakao rehetra,
toa rima tsara rafitra, manaraka ny onjan'
ny andàlan-tononkalo.
Ny fihetsikao koa tsapako
fa ngadona mandona manaraka ny rindran'
ny fahanginana eto izao. Hafa hoy aho ianao e!


RAVANONDRAZANA
21 MEY 2022
--------
Rohy:
409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 10/06/2022 10:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142