HAFATRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA


Ny teniko tsotra, no sady mazava:
Aza manaiky ny ho tapenam-bava!
Saingy tsy tokon-tsavony filaza fa,
Miteny mahitsy rehefa mananatra.
Ka atao sôbakaka mijery fitaratra:
Tonga dia vavany no arangaranga,
Na inona na inona zava-mitranga
Sy ny zava-miafin'ny rakitry ny ela.
Aleo mba havadika im-pito ny lela
Alohan'ny dinika izay tanterahana.
Hofitandrovana an-drafihavanana
Anivon'ny havana na ireo namana.

Ny teniko tsotra, no sady mahitsy:
Ny maro no mila mandresy ny vitsy!
Raha tena zohina ny zavatra misy...
Mahalala tsara ny fiaraha-monina,
Ireo sahy milaza, fa olona vonona
Hamoaka ny izy sy marina hiseho,
Kanefa voaringana hatrany 'zareo.
Misy voatsindry ny vola sy harena
Dia latsaka anatin'ny fitiavan-tena.
Misy poadinitra anatin'ny hatsiaka,
Madio misy loto, hoatra nifin'alika;
Hafa noho izany, ny eto amintsika.

Ny teniko tsotra, no sady mirindra:
Eto no fiainana sarotra indrindra...
Mety hahasolafaka izany famindra.
Ny eto ady mafy tsy hifankahitàna.
Ny sasany monina ambony lalàna;
Tsy mba mijery ny vesatr'ambany,
Mbola mikasa ny hiakatra hatrany.
Ny sasany kosa dia variana loatra
Manenjika afaran'ny efa mitsoaka.
Ity farany kosa, indrisy fa rendrika,
Tsisy raha vita, fa sasatra mierika,
Mijery mpialona sy ny mpanenjika.

Ny teniko tsotra, no sady mifantsy:
Mila halalahana ny saina efa ratsy!
Efa nilaozam-pivoarana io mantsy,
Dia mila ovaina ho tsara amin'izay.
I rafahantrana tsy ho mandrakizay,
Rehefa mivonona tsy hiankin-doha.
Hamorona asa: tsy miandry filoha!
Tsy misy ny tsinin'ny hafa f'ianao...
No mila miezaka tsotra amin'izao.
Ny ketraka ihany no mino ny anjara;
F'anio no mamaritra izay hatsaràn'
Ny fiaina-vantanin'ny zanaka afara.


RAVANONDRAZANA
11 Septambra 2021
--------
Rohy:
585 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 13/09/2021 15:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154