HEREZO (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HEREZO


Herezonao ny diako, ry Andriananahary!
Fa ketraka, marary, inty vatana maliako.

Ny làlana hitodiako mideza sady lavitra.
Mila tsy ho haritra ireo sedra miharihary,
Mijoro manoloana ny zotra ho lalovako.

F'Ianao no fiarovako miaraka eny foana.
Na inona fotoana, na aiza koa toerana...

Herinao tsy ferana no sady fanaperana,
Fa lalina fitondra sy mahari-pitantanana
Manome fiadanana ianao ry Tomponay.

Sanatria torovana dia iny fa handodona,
Miraparapa fatratra, mitady izay mahay
Vao mila anao indray! Fa sanatria izany!

Hifonako avy hatrany izay fisainako ao.
Satria Ianao mahalala izao tontolo izao.


RAVANONDRAZANA
21 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
417 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 24/08/2021 11:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106