HO AN'I ZANDRY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I ZANDRY


Any mantsy ianao... Ry zandriko malala !
Difotry ny havoana any ambadiky ny ala.
Arafitro ho soratra ny vetsoko ato anaty.
Fa efa mitsingerina anio indray ilay daty,
Nahatongavanao tambonin'ity tany.
Arahabaina zandry... mirary soa hatrany !

Ho mamy sesilany anie
ny fiainanao rehetra.
Tsy hisy anefa izany raha kinivin'ireo sedra.
Ny eto an-tany mantsy
tantely miaro vahona :
ny tsara mety ho ratsy
ny ravo mety hisaona.
Efa izay ilay fiainan'ny etÿ ambany rahona.

Ka aza omenao tsiny na i dada, na i neny,
Nandao antsika tiany tsy niera, tsy niteny.
Satria dia làlana efa, voakajikajy an-tsary
Sy tampoka fiantefa, fa antson-Janahary.

[...]
Izaho ilay tia mibedy ka hàlanao tanteraka,
Dia lasa ianao nandao
Fa leo ny fifehezan'ny fitsipika napetraka.
Ekeko izaho no diso raha nanatra anao.
Nanahy ny ampitso, ka nanitsy lava izao.

Mahavaky fo, fa vitanao tokoa
ny nanova ilay laharana... laharan-tarobia
nahazoako anao fahiny !
Hatramin'ny anarana tamin'ny kaontiko iny...
Nasinao fanakanana
tsy hahita anao intsony.
Ka lasa hosodoko...

Kanefa izaho mijery anao an-tsokosoko,
anaty kaonty osoka ny ditranao rehetra.
Ianao ilay mifanoroka an-tsary vetaveta.
Ianao ilay tia mizara ny sarinareo mandro.

F'ianao nilefa jadona, no zary tia miakanjo
Fitafy kely miantona !
Mahita ny entan-kely haderadera an-tsary
dia rombotra daholo ny ambodia mosary.
Nahoana re razandry no lasa maika loatra?
Meteza foana miandry fitiavana mipoaka.

Tsy omeko anao ny tsiny f'izaho no tena diso.
K'aoka hivalona iny, ry tokako tsy hariako !
Mafy ny tsy mihaona,
ny amin'ity fahadimy ambin'ny folo taona.
F'any mantsy ianao, any ambadikin'ny ala
Fetinao ny androany, ry zandriko malala !


RAVANONDRAZANA
26 avrily 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Vetso - Tsingerin-taona - Ditra
967 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 01/05/2020 12:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156