You are here: home > Vetso

IARISOA - Ravanondrazana

Azo vakiana?


I.A.R.I.S.O.A


Inoako marimarina fa sambatra ianao any
Ary koa mahatsiaro ny datin'ny andro anio
Rehefa niady mafy. Ka tratry ny androany,
Izay tsingerin-taona nahaterahanao toa io.
Soa ianao kanefa, dia rariako soa hatrany,
Omen'ny Ray harena sy ny vatana tomady
Ahazo fahendrena, fahalalàna enti-miady,
Amin'ny sotasota, sy ny sompatry ny tany.

RAVANONDRAZANA
-2021-